Nosokafana, omaly tao Antsirabe, Vakinankaratra, ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra, andiany fahefatra. Nanokatra izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nisy hafatra sy antso nataony tamin’ny famoriana ireo eo anivon’ny OMC.
«Ilaina ny fampandehanana ny raharaham-panjakana araka ny tokony ho izy sy ny fanatsarana ny lafiny fandriam-pahalemana… Aoka ny mpitandro ny filaminana tsy hizarazara. Mila filaminana ny vahoaka ary andraikitr’izy ireo izany», hoy izy. Nanteriny fa fotoana izao hifanomezana tanana hanatrarana ny tanjona amin’ny fampandrosoana.
Nialoha izany, nambarany tamin’ny lahateniny tamin’izao hetsika momba ny faritra izao fa tanjona ny fampihaonana ny tolotra sy ny tinady, fanasongadinana ny harena, ary ny fanapariaham-pahefana ka tsy hisy intsony ny faritra adino. «Fanomezan-danja ny faritra mba hahafahany mivelatra sy mampahafantatra ny zava-misy ao aminy izao hetsika izao», hoy ihany izy. Voatsiahy tamin’izany ny lohahevitra : « Vakinanankaratra andrin’ny fampandrosoana ara-toekarena miainga amin’ny fitsinjaram-pahefana miabo ».
Hetsika any amin’ny faritra hafa
Nambarany koa fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-mombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina, hanatanterahana ny drafitra fitsinjaram-pahefana miabo, nohon’ny fananan’ny faritra Vakinakaratra harena maro samihafa, indrindra ny indostria. “Soa fianatra, fa tsara kokoa ny manitatra ity hetsika ity ho an’ny faritra hafa amin’ny taona ho avy”, hoy ny lehiben’ny governemanta.
Anisan’ny niatrika izany tany an-toerana, ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, sy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
Synèse R.