Vehivavy iray namoy ny ainy, ny alatsinainy teo, noho ny lozam-pifamoivoizana tany Morafenobe. Tapaka hisatra tampoka ny fiarabe iray nitondra azy ka nivadika. Avy any Maintirano saika hihazo an’i Morafenobe ilay fiara tamin’io fotoana io. Tra-doza tampoka ilay kamiao teo amin’ny fidinana eo amin’ny kaominina Belitsaky, hoy ny loharanom-baovao. Mpampianatra Fram ity maty ity ary naratra avokoa ireo mpandeha hafa, hoy ny hatrany ny fanazavana voaray.
Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosibe omaly alina. Jiolahy miisa fito no maty voatifita nandritra ny «opération» nataon’ny polsin’ny Sag.