Mitrandraka sady mamoaka volamena an-tsokosoko, sarona niaraka tamina volamena tsy ara-dalàna ny teratany sinoa efatra tao Marovahy, Mananjary, afakomaly. Noho ny fahafantarana fisiana teratany nitondra volamena teny amin’ny lalam-pirenena, nanao fisavana ny teo anivon’ny mpitandro filaminana. Nanao vela-pandrika, sarona tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana marika Nissan ireo Sinoa efatra mianadahy voalaza ho nitondra volamena. Nentina teny anivon’ny birao natao fanadihadiana izy ireo. Rehefa nosavaina ny fiara, tsy nisy afa-tsy basy PA miaraka amin’ny bala 19 tao anaty fiara. Tsy mazava anefa ny taratasin’io fitavaovam-piadiana io. Natao fanamarihana amin’ny alalan’ny finday any Toliara, araka izany, ny fihazonan’ ireto Sinoa ireto io basy io. Araky ny tatitry ny lehiben’ ny fampanoavana ao Mananjary, nalefa nody ireto teratany sinoa efatra mianadahy ireto taorian’ny fitanana an-tsoratra.
Nampanontany tena ny mpitandro filaminana, araka izany, ny filazana fa nisy volamena tany amin’ireto Sinoa efatra ireto kinanjo basy no hita tao anaty fiara. Andrasana ny valin’ny fitsirihana avy any Toliara mahakasika ilay fitaovam-piadiana.
Tsiferana R.