Aretina mamany lava: fandidiana ihany no vahaolana

Hatramin’ny 15 oktobra teo, mitohy hatrany ny fandidiana atao amin’ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­ho­aka sy ny Fnuap ny fanentanana amin’ny ady amin’io aretina io. Tao anatin’izay roa volana latsaka izay, 28 ireo ve­hivavy eto Antananarivo vo­­an’io aretina io nodidiana sy noraisina an-tanana. 26 ko­sa tany Manjary sy Atsimo A­tsi­nanana ary 25 tany Am­bo­vombe sy ny tapany atsimo.
Nanomboka ny alakamisy teo kosa ny andiany manaraka amin’ny fanentanana amin’ny aretina mamany lava ho fanavotana ireo vehivavy tratran’izany sy hahafahany miverina ara-dalàna eny anivon’ny fiarahamonina toy ny vehivavy salama rehetra.
Tsiahivina fa ireo vehivavy manana fahasarotana ma­n­dritra ny fotoana hiterahana matetika no tratran’ny aretina mamany lava na rovitra tatavia. Misy ireo vehivavy efa an-taona maro mizaka ilay aretina. Ny fandidiana fa­na­mboarana ilay rovitra ihany anefa ny vahaolana. Miteraka sakana maro ny aretina mamany lava satria mampandeha matetika loatra any amin’ny toeram-pivoahana.
Rehefa vita kosa ny fandidiana dia maharitra herin-taona ny faharetan’ny fitandremana tokony hatao mba tsy hampiverina ny aretina. Afaka miaina toy ny vehivavy rehetra, miasa, miantsena, manao ny adidy sy andraikitra… ny marary rehefa vita ny fandidiana.

Tatiana A

Partager sur: