CT Motors : manampy amin’ny fampananan’asa

Tao anatin’ny enin-taona namarotana ny Bajaj, nisafidy ny hanamora ny fisitrahana ity fitaovam-pitanterana ity ho an’ny tanora maniry hanana asa ny orinasa CT Motors. Nisantatra izany ny tao Toa­masina. “Afaka mandoa 1 ta­pitrisa ariary ireo te hisitraka ary manefa tsikelikely ny fanampiny”, hoy ny talen’ny fitsinjarana eo anivon’ny CT Motors, i Davy Maréchal, tetsy Andraharo, omaly. Mia­ra-miasa mivantana amin’ny “Baobab Madagascar” izy ireo amin’ny fanatanterahana izany. Nisitraka fiofanana manokana kosa ireo mpamily hampiasa ny fitaovana . “Mila mahay mifehy sy mikarakara io fitaovam-pitanterana io ireo mpamily ireo”, hoy hatrany ny talen’ny fitsinjarana eo anivon’ny CT Motors. Mari­hina fa mananika ny 150 000 ireo Bajaj marika Piaggio efa miasa manerana ny Nosy. Ny novambra 2021 teo no nivoaka voalohany ny Bajaj “Phase IV”. Mahazo kojakoja fiandry ampiasaina ho an’ny iray volana voalohany toy ny kodiarana kosa izay manjifa.

Tsiferana R.

Partager sur: