Fanavaozana lisi-pifidianana: tonga ny ordinatera 400 hikirakirana antontanisa

Miroso ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. “400 ny ordinatera tonga, amin’izao ary mbola hisy 200 mahery ho avy ao anatin’ny herinandro. Ny distrika 119 no hanaovana ny fitsinjarana izany, arakaraka ny habetsahan’ny mpifidy”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama A., teny Alarobia, omaly. Natao ho fikirakirana ara-kajy mirindra ireo antontanisa azo amin’ny fanisana mpifidy ireo ordinatera.
Tanjon’ny Ceni ny hahatafiditra ny olom-pirenena rehetra feno taona sy tsy very zo ho ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Misy dingana roa ny fanisana mpifidy. Eo ny tena fanisana ataon’ny mpanisa mpifidy amin’ny fitetezana tokantrano. Ny antontanisa amin’izany no ampidirina ao anatin’ny ordinatera. Manao fanisana mpifidy sady manao ny fikirakirana antontanisa ny Ceni, satria mbola mandany fotoana koa ny fanaovana fikirakirana.
Efa misy ny dingana atao amin’ny fahazoan’ny olom-pirenena manao karazana fitarainana, raha mivoaka ny atao hoe fanisana vonjimaika ka misy tsy fahombiazana na misy tsy mitombina loatra ny antontanisa momba azy. Faharoa, mety misy olona tsy tratra an-trano. Misy koa fomba atao mandra-pahatapitry ny fe-potoana ahazoana manome alalana na karazana fahefana azy mba ho tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.

R. Nd.

Partager sur: