Mampita fanilo. Efa samy manomana sy maka bahana amin’ny fifidianana avokoa ireo etamazaoro politika. Nahatsapa rahateo ireo mpitarika fa efa tokony homena sehatra ny tanora nefa ilaina koa ny traikefan’ireo efa zokiny. Anisan’ny efa miroso amin’izany ny eo anivon’ny RPSD. Voatendry ho filoha nasionaly vonjimaika mitantana ny RPSD izao, i Andriantsizehena Benja Urbain na i “Bebain” raha sekretera jeneraly ny tenany teo aloha. Efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena ny tenany. Filoha lefitry ny kongresin’ny Tetezamita (CT), faritany Fianarantsoa ary efa depiote voafidy tao Manakara koa raha efa nitana andraikitra teny amin’ny Antenimierandoholona sy ny Primatiora ary governemanta.
Tsiahivina fa fiaraha-mitantanana koa izao ny eo anivon’ny Avi, taorian’ny fametraham-pialan-dRatsirahonana tsy ho filoha nasionaly. Mitondra izany vonjimaika, i Ndahimanjara Johannita sy ny depiote, Rabenirina Jean Jacques ary ny loholona teo aloha, Rabetsaroana Sylvain.
Mbola anaty tetezamita tahaka izany koa ny eo anivon’ny antoko Leader Fanilo, amin’izao fotoana izao, taorian’ny niravonan’ny disadisa anatiny teo aloha. Samy miara-mitantana izao ny avy amin’ny andaniny sy ankilany, tarihin-dRabesa Zafera Antoine sy i Toto Alphonse.
Marihina fa efa samy nanohana ny kandidà ben’ny Tanàna, Rajoelina Andry avokoa ireo antoko telo ireo, fony izy nirotsaka tamin’izany. Mbola manohana ny filoha amin’izao fotoana izao koa ny Avi. Manana minisitra roa eo anivon’ny governemanta rahateo izy ireo. Miandry ny kongresy nasionaly avy kosa ny RPSD sy ny Leader Fanilo amin’ny ho toeran’izy ireo amin’ny fifidianana sy ny fandaminana ny fitarihana ny antokony avy.
Synèse R.