Hiditra an-tsehatra indray ? Efa eto amintsika hatramin’ny afakomaly ny iraka manokana eo anivon’ny Filankevitry ny Sadc. Mandray sy mihaino ireo mpisehatra politika sy ny mpitondra izy ireo, amin’izao herintaona mialoha ny fifidianana izao.
Anisan’ny anton-dian’ireo iraka ireo ny fanaraha-maso ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Eo koa ny hanaovana tombana tamin’ny fifidianana natao ny taona 2018 sy ny depiote ny taona 2019. Tafiditra ao anatin’izany koa ny momba ireo fanitsiana ny lalàm-pifidianana notakin’ny sehatra iraisam-pirenena, toy ny Vondrona Eoropeanina (UE), ary iraisan’izy ireo hevitra amin’ny Sadc izany.
Ranolava avy hatrany ny fihaonan’izy ireo amin’ireo mpisehatra politika hatramin’izao faran’ny herinandro izao. Anisan’ny efa noraisin’ireto iraky ny Sadc ireto tetsy Antaninarenina ny avy amin’ny mpanohitra, RMDM.
Misy dikany izao fahatongavan’ny Sadc izao
Nitohy, omaly, amin’ny nihaonana tamin’ny mpitarika ny HVM, Rakotovao Rivo sy ny avy amin’ny Tim, amin’ny alalan’ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc izany. Nialoha izany, ny nihaonan’izy ireo tamin’ny eo anivon’ny Ceni.
Anisan’ny mbola handray ireto iraky ny Sadc ireto ny avy amin’ny HCC sy ny mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta. Anisan’izany ireo tena misahana na koa tsy afa-miala amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Eo ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Fiarovam-pirenena, ny minisitry ny Atitany ary ny minisitry ny Filaminam-bahoaka.
Araka izany, tsy mandeha ho azy izao fahatongavan’ny iraky ny Sadc eto izao fa misy dikany sy politika avo lenta, mialoha ny hiatrehana ny fifidianana.
Synèse R.