Fifankahalalana… fifankahalana

Fitantanana tanàna na firenena ny hoe politika? Fakana fahefana hahazoana manao izany no antony anaovana politika, antom-pisian’ny antoko politika. Tsy inona fa izay hampiharana ny foto-kevitry ny tena amin’ny alalan’ny antoko politika. Miara-dalana ho azy amin’izany rehefa azo ny fahefana ny fanatanterahana ny vinam-piarahamonina tian-kotratrarina, ny fandaharanasa hahatongavana amin’izany… Tsy inona fa izay hampandrosoana ny firenena sy hampivoarana ny fiainam-bahoaka ho tsaratsara kokoa.
Amin’izany, iray ihany ny tanjona amin’ny hoe fampandrosoana. Ny lalana hahatongavana amin’izany sy ny fomba famindra na ny fomba fiady no tsy mitovy. Mby amin’ny hoe ny itsitokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny. Dia izay no mahatonga ny antoko politika be dia be maniry toy ny anana. Iza irery no tsy mamboly anana? Arakaraka ny fahamaroana no mampikorontana sy mampiady an-toerana; eny, na iray aza ny tanjona: fampandrosoana ny firenena, fampivoarana ny fiainam-bahoaka…
Fampandrosoana ny firenena sy fampivoarana ny fiainam-bahoaka ahoana anefa? Na izany no ndeha hampiady isan’andro vaky… Nefa tokony hifameno fa tsy hifamono izay atao ho an’ny firenena sy ny vahoaka iaraha-manana. Sao mba zavatra hafa no mampiady sisika sy mampiady sisina amin’ny fakana na fiarovana fahefana? Misy zavatra ao… Mby ao an-tsain’ny maro ho azy amin’izany ny hoe ady tombontsoa manokana, tsy atokisana ny hoe fanaovana politika, mpanao politika, ady politika…
Tsy hoe ny maro no tsy matoky mpanao politika, fa ny samy mpanao politika koa no tsy mifampatoky. Mifankahalala amin’ny atao ka mifankahala? Na izay mety ataon’ny tena no ahina ataon’ny hafa, na izay ataon’ny hafa tian’ny tena hatao… Efa mba misy ve ny fiovana sy fanovana amin’izany tontolo politika rehetra izany amin’izao? Na mba misy dingana vita isaky ny fifidianana atao, fiovana mpitondra, fanaovan-dalàna… Fifankahalana mba hifankahalalana ho amin’ny fiovana sy fanovana?

Rafaly Nd.

Partager sur: