Notontosaina ny 18 oktobra 2022 ny fifidianana ny birao vaovao hitarika ny Sendika iraisan’ny mpiasa ao amin’ny statistika na Saps. Natao omaly teny amin’ny Instat eo Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha, Ratovoniony Njara sy vaovao, Randriambelomahenina Noahery Tahiana. Nambaran’ny filoha teo aloha fa be ny vita nandritra ny telo taona fa betsaka ihany koa ny mbola miandry, izay ankinina amin’ny filoha vaovao izany adidy mavesatra izany.
Nanambara moa ny filoha vaovao fa «tsy maintsy atao ny fifampiresahana eo amin’ny hoentina sy ny mpitondra, ary jerena hatrany ny lalàna eo amin’ny fiarovana ny zon’ny mpiasa. Matetika mifanohitra ny filàna avy aty mpiasa sy ny valiny avy amin’ny mpampiasa. Koa miezaka ny sendika hampisy ny fifandraisana, satria misy foana ny tsy fitoviam-pijery», hoy ny filohan’ny Saps vaovao.
Jerena daholo ny olana anatiny sy ivelany, ohatra, momba ny fandraisana mpiasam-panjakana raikitra, izay fitakiana iraisana amin’ny hafa. Zahana avokoa momba ireo efa misotro ronono, tambin-karama rehetra izay efa lany andro ihany raha jerena ny vidim-piainana, tetibola omen’ny fanjakana.
Tsiahiva fa nijoro tamin’ny 2015 ny Saps, ahitana filoha, sekretera jeneraly, mpikirakira vola, mpanolotsaina. Ny mpiasa rehetra mandrafitra azy. Teny filamatra hoe «Instat vonona !».
Ndrina
Saps * : Syndicat autonome des personnels de la statistique