Niantsona teto Toamasina, nandritra ny efatra andro ny sambo Baltic Klipper, nitondra ny letisia haondrana any ivelany. Niainga ny 25 novambra ity sambo ity, tamin’ny 4 ora maraina, nitondra letisia 8.400 taonina, hitodi-doha any Eoropa. Nigadona indray tamin’ny 6 ora maraina ny sambo faharoa, Geest Line, mahazaka letisia, 5.400 taonina, vinavinaina ho feno amin’ ny alahady izao. Izany hoe, mitotaly 13.800 taonina ny letisia hiondra any ivelany amin’ity taom-pamokarana 2022 ity.
Isan’ny fiovana tsikaritra tamin’ity taom-piotazana ity ny fahavitan’ny fanangonam-bokatra tao anatin’ny herinandro, ho an’ny fanondranana any ivelany, raha roa herinandro hatramin’izay.
Aman-taoniny ny letisia mbola manta
Araka ny vaovao azo avy amin’ny fitantanan-draharaha, tsy hisy sambo iraisana hafa, toy ireo roa ireo, intsony ho avy haka letisia eto Toamasina. Azon’ny mpandraharaha atao kosa anefa ny manafatra sambo manokana ho azy. Etsy ankilany, mbola aman-taoniny ny letisia mbola eny am-potony, tsy nahatratra ity fiotazana aondrana ity satria mbola manta.
Mikarama 15.000 Ar hatramin’ny 20.000 Ar isan’andro ny karaman’ny mpiasa amin’ny antoandro eny amin’ny ireo orinasa manondrana letisia any ivelany, ary 25.000Ar hatramin’ny 30.000 Ar ho an’ireo miasa amin’ny alina.
Sajo sy Njaka A.