Tsy afa-misaraka ny “literatiora sy Riva”. Vao miresaka hoe Riva, mby ao an-tsaina avy hatrany ny riankalo, tononkalo, sombintantara sns. Haseho ny amboaran-kalo “Vahindanitra”… Hanataneraka seho sy hetsika famoaham-boky i Riva, ny zoma 2 desambra izao, amin’ny roa ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox. Hanentana izany seho izany i Mampandriniaina Manitra. Hamelona ny seho amin’ny fihantsana i Lafatra, Riambola Mitia, Riva. Ao anatin’izany hisy mpihira andravaka ny fampisehoana ahitana an’i Dinah (PazzapaIII). Eo amin’ny lafin’ny fitendrena koasa i Tana Miranty.
Namolavola ny sain’ny maro sy nanabe ireo mpamaky lahatsoratra, boky i Riva, indrindra koa ireo sanganasany miparitaka manerana ny Nosy anaty gazety mpiseho isan’nandro, anisan’izany ny “Antaranoana” . Tsy hijanona eo fa mitohy hatrany ny seho sy fiakarana an-tsehatra ataon’ity mpanoratra manana ny maha izy azy ity ho fanandratana ny literatiora malagasy.
Narilala