Miantraika amin’ny asa: tsy ampy ny sora-bola iadiana amin’ny VIH/Sida

30% amin’ny vola ha­na­tanterahana ny drafitrasam-pirenena iadiana amin’ny VIH/Sida ho an’ny ta­ona 2018-2022 ihany aloha no teo am-pelatanana sy nampiasaina hanata­nte­ra­hana ny paikady sa­mi­hafa, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ny fandaharanasa sy ny tohana teknika ao amin’ny komitim-pirenena misahana ny ady amin’ny Sida (CNLS), Dr Ra­ko­tomalala Fara, omaly, teny Ampefiloha. Avy amin’ny Fonds mondial ny ampahany betsaka amin’io sora-bola kirakiraina io, eo koa ny mpanohana ara-bola hafa. Ha­to­kana ho an’ny vondron’olona ma­re­fo iantefan’ny ankamaroan’ny asa ny sora-bola. Izay no tsy mahatapaka ny tahirim-panafody ARV ho an’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto amintsika izay atao laharam-pahamehana. Ny «ré­a­c­tif» am­piasaina amin’ny fitiliana ny tsimokaretina no tsy ampy matetika, ara­ka ny fanazavany ihany. Ma­rihina isaky ny 1 de­sambra ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny Sida. Eny amin’ny Parvis An­a­la­kely no handraisana ny hetsika amin’ity taona ity. Hi­sy tolotra ara-pahasalamana samihafa eny an-toerana miaraka amin’ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida satria hampanatonina olona ny fahazoana mahafantatra ny toe-pahasalamany. 400 ny isan’ny olona tombanana hanao fitiliana eny Analakely mandritra ny hetsika.
“Andao hasandratsika ny fitoviana hanafoanana ny VIH/Sida” satria tanjona ny hanafoana ny Sida ha­tramin’ny taona 2030. Hanao hetsika manokana koa ny fokontany An­dron­dra iarahana amin’ny kaominina Antananarivo Re­ni­vo­hitra sy ny BMH ahitana tolotra ara-pahasalamana sy fanentanana ary fanaovana fitiliana. Misy farmasia telo koa ahafahana ma­na­o fitiliana eto an-dRe­ni­vo­hitra anatin’io fotoana io.

Vonjy A.

Partager sur: