Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo mpampiofana polisy monisipaly, andiany voalohany. Nisalotra ny anarana hoe “ Vanona” izy ireo. Notontosaina tetsy amin’ny amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana.
Miisa 6 mianadahy ireo nahavita fiofanana ary efa polisy monisipaly nandritra ny 20 taona latsaka. Talohan’izao lanonana izao, nianatra nandritra ny herintaona teny amin’ny Sekolim-pirenena ambony manofana ho Polisy (ENSP) Ivato izy ireo. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny CUA, nahafahan’izy ireo nanao izany. Nofaranana tamin’ny fanohanana ny voka-pikarohany avy, ny 27 oktobra lasa teo.
“Natao nandritra ny lanonana ihany koa ny soniam-piaraha-miasa eo amin’ny ENSP sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, mba hanohizana ny fandraisana mpianatra vaovao andiany faharoa”, hoy ny lehiben’ny kaomisarian’ny polisy monisipaly, Razaka Andriamahasoa. “Hamerenana ny hasin’ny vondron’ny polisy monisipaly eto amin’ny Nosy, ny nanaovana izany. Hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny polisy nasionaly sy ny monisipaly mikasika ny fandrindrana ny fifamoivoizana”, hoy hatrany ny fanazavana.
Tombony lehibe amin’ ny famoahana mpianatra toy izao, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ ny samy tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana tsirairay avy”, hoy ny kaomisera Ostrom Whens.
Horaisina androany eny amin’ny tobin’ny vondron’ny polisy monisipaly Anosipatrana izy enina mianadahy ireto. Atoro azy ireo eny ny mpiara-miasa rehetra mba handraisan’izy ireo ny fibaikoana. Marihina fa hapetraka amin’ny fomba ofisialy eny Anosipatrana ny galona ho an’ ireo «brigadier en chef» miisa 50 mianadahy ao amin’ny polisy monisipaly.
Mino ( Mpianatra Asa)