“Vary evoka”: Tanjon’ny vehivavy mpamokatra ny hanondrana any ivelany

Natao teto Antananarivo, omaly 25 novambra, ny loabary an-dasy mikasika ny vary nohatsaraina “vary evoka” (riz étuvé) niarahana tamin’ny vehivavy mpamokatra eto amin’ny Nosy. Fotoana nizarana traikefa, nitanisana ny olana, ary indrindra ny vahaolana, hampitomboana ny voka-bary sy ny fidiram-bolan’ny mpamokatra.

Nikarakara ny fihaonana ny Africa Rice, tari­hin’ny Dr. Mujawa­marya Gaudiose, niaraka ta­min’ny fikambanam-behivavy tantsaha mpamokatra vary. Teo koa ny mpanohana ara-bola sy ara-teknika, ny Giz, ny Jica, ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ary ny minisitera isan-tsokajiny.
Nizara ny zava-misy any aminy avy ireo fikambanam-behivavy avy any Vakinan­karatra, Alaotra Mangoro, Bas Mangoky ary Menabe. Olana iraisan’izy ireo ny tsy fahampian’ny fitaovam-pamokarana sy tany volena ary ny ara-bola, ka maniry ny hanampiana sy hanitarana izany. Eo koa ny tsy fahampian’ny lalam-barotra.

Be otrikaina
Soso-kevitra naroson’izy ireo ny hiara-kiasa amin’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ara-tsakafo (Pam) sy ireo vondrona mpanampy ny traboina mba hanjifa ny vary evoka. Ao anatin’izany ny hivarotana ny vary nohatsaraina any an-tsekoly manana fisakafoana (cantine scolaire) satria sakafo be otrikaina, mahasalama ary mateza kibo ny vary evoka.
Nilaza ny sekreteran’ny fikambanam-behivavy any Bas Mangoky, Rtoa Raza­findravola Isabelle, fa tanjona ny handresana ny tsy fanjarian-tsakafo, hampitombo ny vola miditra ao an-tokantrano, hahavita tena ara-tsakafo ary indrindra hanondrana ny vary evoka any ivelany.

Mampitombo ny fidiram-bola
Nozarain’ny Pr. Jalloh Abdulai, talen’ny fikarohana ao amin’ny Africa Rice ta­min’ny mpivory, ny tombontsoa ara-toekarena azo amin’ny vary evoka. Manatsara ny voka-bary ankapobeny eto an-toerana, mampitombo ny fihariana sy ny fidiram-bolan’ny tantsaha, ary koa miaro ny tontolo iainana. Tsapany ny ezaka ataon’ireo vehivavy mpamokatra, nahay nikajy ny fitaovana GEM nomen’ny AfricaRice.
Nilaza ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika, Ramanankierana Heriniaina, fa tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy ny fanatsarana ny kalitaon’ny vary ka zava-dehibe ny famokarana sy ny fanjifana ny vary evoka.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: