Ankatoky ny fety: mbola mangatsiaka ny tsena

Iray volana sisa dia higadona ny fetin’ny Krismasy. Tsy mbola hita taratra eny an-tsena anefa ireo entana mampalaza izany fety izany. Tara raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ny fiparitahan’ny karazan’entana eny an-tsena toy ny girlandy, haingon-trano, kilalao, jiro madinika handravahana ny trano, hazonoely…

Ny entana vaovao mihitsy no tsy mbola misy tonga, raha ny filazan’ny mpivarotra. Ny tahiry tsy lafo tamin’ny herintaona aloha no havoaka amidy hamonjena tsena. Na ny karazana hazonoely aza tsy misy milanjalanja akory eny an-tsena toy ny mahazatra isan-taona.
Na izany aza, miravaka manome loko fety kosa ireo magazay lehibe. Misarika ny mpanjifa hiditra ao aminy sy hanjifa ny entany ireny ravaka ireny. Misy manomana toerana manokana ho fakana sary fotsiny izy ireo ho an’izay mandalo ao aminy hanomezana fahafaham-po ny mpiantsena.

Etsy andaniny, mbola sahirana ny olona tsy manana hoentina amidy amin’izao, raha ny fitantaran’ireo mpivarotra hatrany. Any amin’ny tapaky ny volana desambra any mihitsy vao mihazakazaka amin’ny fanaingoana trano sy fividianana kilalao ny ray aman-dreny. Any vao miditra amin’ny fialan-tsasatra rahateo ny mpianatra ka mifantoka amin’ny fety amin’izay manomboka eo.

Tatiana A

Partager sur: