“Mihetsiketsika avokoa ny antoko politika rehetra, indrindra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Adidin’ny antoko politika ny mitaiza ny olom-pirenena. Voalazan’ny lalàna izany ka afa-mamory olona”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana. Nefa fanararaotam-pahefana ny fahitany ny ataon’ny mpitondra. Fitaovam-panjakana no entina mandehandeha: fiara takelaka mena. Iza izany no miantoka ny solika ? Ny sasany manao famoriam-bahoaka, tsy mahazo; ny hafa manao, mahazo. Tsy misy fifandanjana izany.
Takin’ny mpanohitra ny fanovana ny rafitra teknika na olona amin’ny fikarakarana fifidianana sy ny lalàm-pifidianana. Na hanao fanorenana ifotony tanteraka aloha. Tokony hieritreritra ny fitondram-panjakana fa efa misy fisalasalana amin’ny mpanohitra, aleo kitihina izany. “Aleo hatao ny mahasoa ny vahoaka fa tsy an’olon-drery ny firenena”, hoy izy.
R. Nd.