Depiote Randrianasolo Nicolas: “Tokony hakarina ny tetibolan’ny zandary”

“Tokony hakarina ny tetibolan’ny zandarimaria”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Be­troka, Randrianasolo Jean-Nicolas, manoloana ny fahalanian’ny Antenimierampi­re­nena tsy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2023. Nisy fampanantenana na fanomezana antoka 10 miliara Ar ny volan’ny zandarimaria, taona 2021, nefa tsy azo. Nefa ny tafika sy ny polisim-pirenena nanao izany amina miliara maro. Mam­pi­sy lonilony eo amin’ny mpitandro filaminana telo izany.
Amin’ny tetibola taona 2023 izao, nahena indray ny tetibolan’ny zandary. Tsy ma­nambany ny mpitandro filaminana hafa izy, araka ny nambarany, fa ny zandarimaria no tena midina any ifotony. Mahafantatra ny olan’ny vahoaka, manao tatitra ny zava-misy avy any ifotony. Ny zandarimaria no anisan’ny manampy ny fanjakana mijoro. Maninona no atao ankilabao sa horavana, sanatria? Mampisy lonilony izany. Izy ireo no tena manao ny ainy tsy ho zavatra. Be dia be ny zavatra tsy mifanaraka ao anatin’ ny lalàna mifehy ny tetibola, fa tsy afa-manoatra ny tena amin’ny politika: ry zareo no maro anisa. Ohatra amin’izany, maro ny zavatra tafiditra ao anatin’ny sora-bola, taona 2022, nefa tsy tanteraka.

R. Nd.

Partager sur: