Filoha Rajoelina Andry Nirina: « Tsy avelantsika ho tapaka sy hisy sakana ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara”

Herintaona mahery mialoha ny fahataperan’ny fotoam-piasany, mitohy ny fanatanterahan’ny Filoham-pirenena sy ny fitondrana izay tarihiny ny velirano. Any amin’ny faritra Fitovinany izy nitokana fotodrafitrasa sy vatofototra maromaro, nanomboka omaly.

Nanomboka omaly, hi­tohy anio ny fitsidihana ataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry ny any amin’ny renivohitry ny faritra Fitovinany, ao Mana­kara. Anton-diany ny fitokanana fotodrafitrasa maromaro sy fametrahana vato fototra an’ny fotodrafitrasa vaovao. “Tafiditra amin’ny fanatanterahantsika ny Velirano, toky nifanaonatsika tao anatin’ny efa-taona izao”, hoy ny ambentin-tenin’ny Filoha nandritra ny hetsika rehetra. Anisan’ny namakiany lay ny fidinana ifotony, nandritra ny faran’ny herinandro ny fa­nom­bohan’ny asa fananganana oniversite manara-penitra any an-toerana. “Izao no natao dia mba hisy ny fampianarana manakaiky vahoaka. Tsy maintsy mitsinjo manokana ny tanora sy ny ray aman-dreny isika satria voafetra ny fahefa-mividy handefa zanaka any amin’ny tsy miankina sy any ivelany. Tsy afaka mandefa mpianatra any ivelany mihoatra ny 200 isan-taona akory isika. Miezaka ny fitondrana izay tarihiko mba hanome vahana ny tanora malagasy. Raha 20 000 na 25 000 amin’ny mpianatra malagasy miisa 80 000 afaka bakalorea no tafiditra amin’ny anjerimanontolo eto Madagasikara, ampitomboina izany. Izay mahatonga ireo fananganana fotodrafitrasa vaovao.”, hoy izy nanazava. Nasiany tsindrim-peo ihany koa anefa ny mikasika ny fanafarana mpampiofana sy mpampianatra vahiny: “Tsy midika ho tsy fanomezan-kasina ny manampahaizana malagasy izany. Misy zavatra tsy mbola voafehintsika, ka ilana mpizara traikefa izany. Any aoriana any rehefa voafehy ilay izy, isika Malagasy indray mampiofana na mampianatra”, hoy izy namarana ny resaka momba iny.
Mikasika ny hopitaly manara-penitra indray, teny ny filoham-pirenena no nanararaotra nanindrom-paingotra ny mpanao volo manoa randrana. Nahitsy ny lahateny natao: “tsy maintsy hirosoana ny asa rehetra, ary hamitana izay efa natomboka. Fotoana izao tsy hanekena intsony ny mpanao sakantsakana sy mitady hirika hanapahana ny asa fampandrosoana izay imatimatesantsika ho an’ny vahoaka malagasy”. Noha­mafisiny: “Nanantena aho mba hanohizan’izay nandimby ahy, taorian’ny fitondrana tetezamita, saingy indrisy. Nandrava indray no nataon’
ireo nametrahana fitokisana. Ninia tsy nilatsaka aho ta­min’ny fifidianana ny taona 2012, noho ny fitiavan-tanindrazana kanefa niaraha-nahita ny zava-nisy. Amin’izao fotoana izao, tsy maintsy vitaintsika ny Velirano”, hoy izy.
Nanamafy hatrany ny filoha, nandritra ny fametrahana ny vatofototra ho an’ny hopitaly manara-penitra fa ny vahoaka salama sy tomady
no afaka mampandroso an’i Madagasikara. “Antony na­metrahana ilay tahiry hiatrehana ny hameha, isaky ny distrika”, hoy hatrany izy. Voa­lazan’ny Filoham-pirenena, efa mipaka tanteraka any
amin’ny vahoaka ny vokatr’
ity tahiry manokana ity, ary betsaka ny fisaorana voarain’ny fitondram-panjakana.

Sosialim-bahoaka

Taorian’ny hopitaly sy ny oniversite, nahazo ny anjarany ihany koa ny beantitra sy ny manana fahasembanana. Ankoatra ireo ny mpiasam-panjakana sy ny mpampiasam-panjakana na ny vahoaka. Nahazo ivontoerana manokana sady hialana voly, hifanabeazana, hifanampiana, ary indrindra hitsaboana tena ireo sokajin’olona marefo ao Manakara, andaniny. “Poro­fon’ny mahabe fitiavana ny filoham-pirenena sy fitsinjovan’ny fitondrana ny vahoaka madinika izao. Miezaka ha­trany ny minisiteran’ny Mpo­nina manatanteraka ny velirano nankiny taminy. Miasa ho an’ny mponina araka ny fi­lan’ny vahoaka malagasy izahay”, hoy Ratoa Soafilira Princia, minisitry ny Mpo­nina.
Ankilany, nahazo birao ny fitaleavam-paritry ny asa, ny asam-panjakana ary ny fiahiana ara-tsosialy. Nampanan­tena ny mponin’i Manakara ny minisitra tomponandraikitra, i Gisèle Ramampy fa hitondra fanatsarana lehibe amin’ny fomba fiasa sy asa atolotra ny fahazoana fotodrafitrasa manara-penitra tahaka izao. “Misaotra ny filoham-pirenena izahay amin’ny fa­natanterahana ny velirano. Marina fa anisan’ny vesatra goavana ho an’ny fitondrana ny fandoavana ny karama isan-taona sy isam-bolana, mbola mampirisika anay anefa ny fanomezanao toerana miisa 17000 mahery ho an’ny mpiasam-panjakana vaovao”, hoy izy namarana ny kabariny, nandritra ny lanonam-pitokanana, omaly. Marihina fa hotokanana tsy
ho ela ny birao vaovao any amin’ny Faritra Sava.

10 lavitrisa Ariary

Tontosa omaly hariva, ny fitokanana ilay tetezana lehibe, mampitohy an’i Manakara kely sy Manakara be. Niha­lehibe sy matanjaka no ho ny teo aloha izany, azo hifanenana tsara. Vita amin’ny vy ny tetezana, Haharitra 40 taona. Raha ny fanazavana teknika azo, mahazaka vesatra 44 taonina izy ity izay mirefy 150 metatra. Nandritra ny 5 volana no nanatanterahana ny asa, niarahana tamin’ny orinasa WITEC. Mpanara-maso ny minisiteran’ny Asa vaventy. Nenti-manana ny vola 10 lavitrisa Ariary, an’ny fanjakana malagasy madiodio. “Foto­drafitrasa ho an’ny vahoaka sy manakaiky vahoaka ho fampandrosoana an’i Mada­gasikara, indrindra ny faritra Fitovinany ny fotodrafitrasa naorina sy notokanana”, hoy hatrany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, tamin’ny lahateny nataony. Tafiditra amin’ny velirano rahateo, izay politika fototry ny Fi­loha, hoy izy.
Tsiahivina, tokony ho vita efa ela ny tetezana, saingy noho ny fandalovan’ny rivodoza Emnati sy Batsirai farany teo, nihemotra ny asa fanamboarana.
Ankoatra izay, mba hahamora ny fivezivezen’ny mponina ao an-tampon-tanàna, vita ny lalana rarivato mirefy 500 metatra. Miainga avy ao amin’ny Sidi Hotel hatrany Ambodiampaly. Misy lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra 1m ny sisiny roa, 6 metatra ny sakany. Ankoatra izay, ny lalana eny Tanambao Ombi­mena, 800 metatra ny halavany, 6 metatra ny sakany, misy lalan’ny mpandeha an-tongotra 1m ny sisiny roa. Teti­kasan’ny governora eo ambany fiahian’ny fitondrana foibe hatrany izany. Nandritra ny lahateny natao no nilazan’ Atoa Lucien Laurel Razafi­tsotra, governoran’ny Faritra, fa taratry ny fahavononan’ny herivelona rehetra hampandroso ny Faritra izao fanamboaran-dalana izao.

r.r sy Randriamaromanana Lin
(Mpianatra asa)
Iraka manokana-Manakara

Partager sur: