Miara-miasa ny FMFP* sy ny Rio Tinto QMM any Taolagnaro manofana tanora any amin’ny faritra Anosy hanana fahaiza-manao sy ho matihanina hisian’ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra. Kaominina sivy (09) no hiasana miaraka, nampahafantarana ny tetikasa azon’ny tanora 300 trandrahina.
Nidina tany an-toerana ny tale jeneralin’ny FMFP, Raoelina Andriambololona Pierre niaraka tamin’ny ekipan’ny QMM nanentana ireo tanora fa misy fiofanana samihafa homena azy ireo (mpitondra fiara vaventy, mekanisianina, elektrisianina, mpandoko, mpandrafitra, sns…)
Mahafehy tsara ireo asa isan-karazany ireo no be mpitady ankehitriny, nahatonga ny FMFP hanofana tanora vavy sy lahy, 18 hatramin’ny 35 taona. Mitombo ny tinady amin’ireo asa ireo, manambara izany ny tolotrasa 12 avy amin’ny QMM, nefa 1500 ireo fangatahana voaray. Midika izany fa maro ny tsy an’asa any an-toerana, ohatra, ao amin’ny kaominina Mahatalaky mananika 50-70 %.
Koa nanapa-kevitra hiaraka ny FMFP sy ny QMM hampitombo ny fahaiza-manao amin’ireo tanora ho tombontsoa ny faritra Anosy. Mamaly ny tinadin’ny orinasa any an-toerana rahateo izany. Mitazona ny teny nomeny ny QMM ho fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara, indrindra ny faritra Anosy : fiofanana ho an’ny indostria 150, tontolo iainana sy toekarena manga 100, ary momba ny informatika 50.
Fanatsaran-toerana
«Izay mpiasa tsara, manana ny maha izy azy any amin’ ny sehatra misy azy, ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny orinasa iasany. Ny firarianay amin’izao fiarahana amin’ny FMFP izao dia hanamafy ny talenta misy amin’ireo tanora ho fampandrosoana maharitra ato amin’ny faritra Anosy», hoy Rtoa Bayarmaa Shuuvai, tale misahana ny mpiasa(DRH) ao amin’ny QMM.
Ny FMFP kosa miantoka ny fampiofanana. «Hatramin’ ny 2019, ny FMFP efa niantoka tetikasa 2000 mahery nandaniana 20 miliara Ar. Porofo izany fa misy ny tinady eo amin’ny fanofanana. Hatsaraina hatrany ny asa raha tiantsika hivoatra ny toekarena», hoy ny tale jenelin’ny FMFP. Anisan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny FMFP ny AFD* sy ny Vondrona eoropeanina.
Ndrina
FMFP* : Fonds Malgache de Formation Professionnelle
AFD* : Agence Francaise de Développement