Handball – IHF Trophy U20 zazalahy : Tompondakan’ny faritra fahafito ny Akio

Tsy mbola afa-bela tamin’ny Akio Madagascar ny Club M Maorisy, nandritra ny famaranana, niadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball IHF Trophy, zazalahy. Mbola resin’ ny Malagasy tamin’ny isa 37 no ho 22 ry zalahy, teo amin’ny famaranana.

Voahosotra ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja hand­­ball sokajy U20 zazalahy (IHF Trophy), ny Akio de Madagascar. Resin-dry zalahy, tamin’ny isa 37 no ho 22 teo amin’ny famaranana ny Club M Maorisy. Fihaonana notanterahina omaly alahady, tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Niady ny fihaonana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nifanenjehana ny isa teny amin’ny solaitrabe ary nifanakaiky hatrany. Nampiasa ny hafainganam-pandeha ny Akio, notarihin-dry Aina sy ry Manantsoa ary i Michael. Tetsy ankilany, niezaka nampiasa ny vatabeny ny Maorisianina. Nitarika tamin’ny isa tery 15 no ho 14 ny Akio, teo amin’ny tapa-potoana voalohany.
Fidirana faharoa, nampitombo ny fanafihana ny Malagasy ary nanao totoafo mihitsy. Niitatra tsikelikely ny isa ka tsy azon’ny Mao­ri­si­anina, intsony mandra-pira­van’ny fihaonana. Hisolo-tena ny faritra fahafito ary hiatrika ny fifaninanana kaontinantaly, hotanterahina any Congo Bra­za­ville izany ny Akio de Ma­da­gascar. Fihaonana, ho­tan­terahina ny 12 ka hatramin’ ny 18 desambra, ho avy izao. Voafidy ho mpilalao mendrika i Aina Landry, mpiandry tsatoby malagasy.

Tompondaka

Partager sur: