Maharitra, lalina, mila hahenika ny maro na ny sehatra sy ny ambaratonga rehetra… Izay ny fahalovana mahazo ny firenena sy iainana isan’andro amin’izao? Efa zary tsy mahataitra ny sasany firy intsony, ohatra, izay hoe tsy fandriampahalemana. Na fanafihan-dahalo io, na halatra taolam-paty, na fakana voamaso, na fanolanana…
Toy izany koa, ohatra, ny ady tany, ahitana tompon-tany miseho sy manjakazaka tampoka sy tsy ahoan-tsy ahoana; ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany mampiady an-toerana; ny fidirana an-tsokosoko sy fihanaky ny zava-mahadomelina mahery vaika tsy fanta-piaviana; ny fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko efa ho lava…
Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina ny gaboraraka amin’ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanjakazakan’ny sasany amin’izany. Mbola misy ny tsimatimanota? Na tsy mahafa-bela ny fisian’ny kolikoly, ny fahalalana olona, ny fiheveran-tenan’ny sasany ho ambonin’ny lalàna… Hatraiza ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna?
Ekena, manao izay efany sy afany, ohatra, ny mpitandro filaminana mampanjaka fandriampahalemana. Eo koa ny fanarenana isan-tsehatra toy ny fananan-tany, fampianarana, fahasalamam-bahoaka, fambolena… Tsy hita izay ozany? Be hatrany ny mbola asa miandry sy tokony hatao miolotra amin’izay kely natomboka.
Tsy vitan’izany, ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto eran-tandroka. Izay no mahatonga ny sasany tsy mahita sy tsy miteny afa-tsy lafiratsin-javatra? Na mbola izay ihany tokoa no mibahan-toerana sy talaky maso noho ny fahalovana maharitra ela, lalina, saika mahahenika ny rehetra… Izay koa no mahasarotra sy mahamafy izay atao.
Amin’izany, manginy fotsiny ny kapa ranjo amin’izay mitady hiovana na hanova. Efa tarazo raiki-tampisaka ny fahalovana amin’ny sasany? Tsy zaka ny fanapotserana ny vay, na ny fanaovana tombana aza, ohatra. Ahoana no hitsaboana izay maharary, raha tsy jerena sy tsikeraina izay tena fototr’aretina? Mety ao anaty sy miainga amin’ny tsirairay ihany…
Rafaly Nd.