Noely 2022 : manomboka ny fankalazana any am-piangonana

Nanakoako tany am-piangonana, nanomboka omaly, ny hira Krismasy ho fanomanana ny fo amam-panahy hiatrika ny fanamarihana ny fiavian’ilay Mpamonjy. Nanom­boka omaly, araka izany, ny Advento na Fiaviana ho an’ny tetiandro litorjika. Efatra herinandro mialoha ny fetin’ny Noely ny Advento, manomboka amin’ny andro alahady. Omaly alahady 27 novambra 2022 hatramin’ ny alahady 25 desambra 2022 izany amin’ity taona ity.
Manomboka eo ny fotoana fiomanana alohan’ny fankalazana ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ho an’ny kristianina.
Mitandrina sy mankalaza ny Advento na ny Fiaviana amin’ny maha andro fiandrasana ny fankalazana ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ny fiangonana kristianina marobe maneran-tany. Ao anatin’io efatra herinandro io no hiomanana ara-tsaina amin’ny fo, indrindra amin’ny fanahy handraisana ny Mpamonjy.
Tanjona ny handraisana ny Mpamonjy amin’ny fo madio tokoa, araka ny lohahevitra efa novoizin’ny FJKM nandritra ny volana desambra dia ny hoe “Miomana hihaona amin’ Andriamanitra: Amosa 4/12”.
Efa somebiseby amin’ny fanomanana ny fetin’ny Kris­masy ihany koa ireo ankizy sy tanora any amin’ny fitandremana samihafa. Isaky ny alahady hariva ny anatanterahana izany. Manomboka amin’ity herinandro ity kosa, isaky ny asabotsy no hanaovana ny famerenana izany hira sy tsianjery mahazatra ho an’ny fetin’ny Krismasy izany.

Tatiana A

Partager sur: