“Ilaina ny safidy politika sahisahy sy fanapahan-kevitra hentitra raha tena hamaha olana amin’ny tsy fandriampahalemana”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miasa-miainga, Andrianainarivelo Hajo.
Niaiky ny tenany fa eo ny fahasahiranana ara-toekarena tsy ahitam-bahaolana ary anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Anisan’ny tsy mamparisika ny mpandraharaha hampiasa vola sy hamorona asa ary sakana ho an’ny isan-tokantrano amin’ny fivelomana sy fihariana ny tsy fandriampahalemana, araka ny nambarany.
Nanteriny fa ilàna finiavana sy fandraisan’andraikitra eny ifotony izany. Anisan’ny tolokevitra nentin’ny MMM ny fifanatonan’ny samy Malagasy handinika ny tokony hatao hamerenana ny fihavanana sy ny firaisankina tena izy. “Ny samy Malagasy ihany no mifamingana sy mifamono eto ka tsy ahafahana mihetsika firy”, hoy ihany izy.
Tokony ho marin-toerana ny mpitandro filaminana
Nohitsiny koa fa mahazatra nefa tsy maintsy atsahatra ny fanaovana fitaovana politika ireo rafi-panjakana. Anisan’izany ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana. Mila marin-toerana izy ireo mba hiverenan’ny fahatokisan’ny olom-pirenena sy hanalavirana ny kolikoly. “Hafantoka hiaro ny olona sy ny fananany fa tsy hiaro ny fitondrana no laharam-pahamehany. Na iza na iza hitondra firenena, tsy ho rava velively io fandriky ny tsy fandriampahalemana rehefa tsy mbola sahy mikapo-databatra isika”, hoy ny MMM.
Synèse R.