Vaovao ratsy indray ho an’ny tontolon’ny zavakanto… Nodimandry ny asabotsy maraina teo i Janga Ratah. Efa herinandro maromaro no niady tamin’ny aretina ity mpanakanto ity, ary nanao antso avo mba hanaovana tolo-tanana izy tamin’ny herinandro lasa teo. Nihetsika tokoa ireo mpanakanto namany sy ireo mpankafy ary ny izay rehetra nahatsapa fa manana adidy hifanampy ho fitsaboana azy, saingy indrisy, lavon’ny aretina i Janga Ratah.
Nodimandry teo amin’ny faha-39 taonany Rata François, fantatry ny maro amin’ny anarana Janga Ratah. Mpanoratra, mpamoron-kira ary mpandrindra ny hirany izy, ary niavaka tamin’ireo samy mpivoy ny salegy. Nanomboka tamin’ny fandihizana ka nanaraka tarika mpivoy ny gadona nentin-drazana i Janga Ratah. Tsikaritr’i Jaojoby ny talentany, ary nampiarahany tamin’ny tarika Saramba izay tarihin’ny vadiny i Janga Ratah. Nivoy ny gadona majanga izy, izay tsy niala tamin’ny fototra salegy ihany. Nanana ny fomba fitafiny nampiavaka azy an-tsehatra i Janga Ratah, ary saika nahitana azy daholo ireo “festival” tamin’iny tapany avaratra iny, toy ny “Donia” sy ny “Somaroho” ao Nosy Be, ny “Lampogno” ao Antsohihy, sns.
Zo ny Aina