Zanak’Isandra miray hina (Kim) : manentana amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana

Anisany paikady apetraka ho fampandrosoana ny any Isandra  ny fidinana ifotony ataon’ireo mpikambana eo an­ivon’ny fikambanan’ny zanak’ Isandra  miray hina (Kim). An­isan’ny nanaovan’izy ireo izany ireo fokontany maro sy kaominina ato anatin’ny distrika. “Natao izany mba hijerena  ireo olana hiombonan’ ireo vahoaka. Eo koa ny fa­nen­tana ireo vahoaka hiditra ao antin’ny lisi-pifidianana sy hisoratra eny anivon’ny fo­kon­tany amin’ny fangatahana ny  hanaovana  ny  kaopia sy ka­rapanondro faobe amin’ izao fanavaozana ny lisi-pifdinana izao”, hoy ny mpitarika ny Kim.

Distrika gisitra amin’ny fampandrosoana
Anisan’ny distrika mitana ny farany  amin’ny fampandrosoana ny any Isandra. Tsy misy ny jiro, ny rano fisotro madio. Vitsy ireo lakilasy ia­na­ran’ireo mpianatra taorian’ ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Manampy izany ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fambolena noho ny haintany. “Zara raha mamokatra ireo mponina. Maro ireo ankizy tsy miditra any an-tsekoly noho ny tsy fahampiana eo an-tan­an’ireo ray aman-dreny”, hoy ihany ny Kim. Anton’ny hetsika nataon’ireto zanak’Isandra ireto izany hanairana ireo mpitondra amin’izao olana sy fahasahiranan’ny mponina any an-toerana izao izany. “Manao antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika izahay mba hitodihan’ny fampandrosoana  sy hidina ifotony  hijery ny zava-misy, iainan’ny mponina. Mba tsy hisy distrika hadino”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: