Hanomboka afaka andro vitsy ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny taranja basikety lalaovin’olona telo “Open”. Fifaninanana hatao ny 3 sy 4 desambra izao any Le Caire Egypta. Hiavaka ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ity. Manana solontena amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy mantsy i Madagasikara, hiaro ny voninahi-pirenena. Nanainga omaly ny delegasiona malagasy andiany voalohany, misy ireo mpilalao lehilahy (Livio, Elly, Fiary, Arnol) sy ny mpanazatra azy ireo, Randrianarivelo Jean de Dieu.
Rahampitso kosa no hanainga ny sokajy vehivavy (Muriel, Chine, Sydonie, Christiane) sy ny mpanazatra azy ireo, Razananirina Prisca. Tsara fiomanana ireto mpilalao malagasy ireto, izay efa nikotrana sy nivondrona nanditra ny andro maromaro teto Antananarivo ary vonona hitady fandresena. Mpilalo notsongaina tamin’ny maro rahateo no hiatrika ny fifaninanana ka azo antenaina ny hahazoana vokatra tsara. Tsiahivina fa efa nanoratra tantara teo amin’ny sehatra afrikanina, teo amin’ny basikety 3×3 ny ekipa malagasy lehilahy, nandritra ny lalao afrikanina 2019, izay nandrombaka ny medaly volamena.
Mi. Raz