COVID 19: mila averina ny arovava orona

Nanambara ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely fa manoloana ny fiakaran’ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 tao anatin’ny herinandro maromaro farany, tokony handray ny fepetra mifandraika aminy ny tsirairay. Tsy mbola natsahatra ny fepetra sakana hiarovana amin’ny fiparitahan’ny Covid-19 fa nankinina tamin’ny fahendren’ny isam-batan’olona ny fampiharana izany. Hiditra amin’ny fanomanana ny fety samihafa ny rehetra ary hifamezivezy ny olona maro. Aleo hampiharina ny fepetra, indrindra ny fametrahana ny arovava orona any anaty fitateram-bahoaka sy anatin’ny efitra mihidy be olona. Ilaina koa ny fampiakarana ny hery fiarovana amin’ny fihinanana CVO ho an’ny olona tsy manana toe-tena diabertika sy ireo tsy manana tosidra ambony. Ho an’ireo sokajin’olona ireo, afaka manao vaksiny fiarovana izy ireo satria efa misy karazany maro azo isafidianana. Tamin’ny taona 2021 volana novambra tahaka izao, niakatra ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina ary miverina izay tranga izay ankehitriny.
Nandritra ny fandalovan’ny rivodoza roa tamin’ity taona ity, niakatra koa ny isan’ny olona voan’ny Covid-19 fa vokatry ny fandrasian’ny marary ny CVO fampiakarana ny hery fiarovana sy fitsaboana, vetivety dia voafehy ny valanaretina, hoy ny minisitra ihany.

Vonjy A.

Partager sur: