Fiatrehana ny fifidianana: mametraka ny ahiahiny ny Otrikafo

Nitondra ny heviny, manoloana ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ny Otrikafo. Maromaro ireo hametrahan’izy ireo ahiahy manoloana izany.

“Manao ahoana ny rivotra politika amin’izao mialoha ny fifidianana izao?Raha ny amin’izao aloha, manjaka ny tsy fifampitokisana, indrindra eo amin’ireo rafitra mikarakara fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabe­va­hiny Elia, manoloana ny fiatrehana ny fanomanana fifidianana, taona 2023.

Hifarana afaka iray volana ny fampidirana ny anaran’ny olom-pirenena ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Manao ahoana ny fikarakaran’ny Ceni izay fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy izay? Olana, ohatra, ny fitaovana ho an’ny mpanisa mpifidy, betsaka
ny mimenomenona amin’ny fahazoana tambin-karama amin’izany; efa nandeha iray volana ny fanisana mpifidy, mbola misy faritra tsy nanomboka. Mametra ahiahy amin’ ny mety ho fizotran’ny fifidianana izany.

Mila halamina ny fitsipi-dalao

Ambony be ny ahiahy eo amin’ny mpanao politika amin’izao fanomanana fifidianana izao, araka ny nambarany. Efa teo amin’ny fitondrana no niala ny ankama­roan’ireo mpifaninana, te hiverina eo indray. Fantatr’izy ireo tsara hoe: manao ahoana izany miatrika fifidianana tsy ao anatin’ny fitondrana? Etsy ankilany, manao ny fomba sy ny kajikajy rehetra koa ny mpitondra hijanonana eo
amin’ny toerana.

Eo anelanelan’izay ny mpi­karakara fifidianana, ny Ceni sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ma­metraka olana ho an’ny mpisehatra fifidianana; eny, na vahoaka koa aza: adihevitra eny anivon’ny fiarahamonina ny fahatokisana na tsia ny Ceni. “Tsy mbola feno ny fepetra hahazoana miroso amin’ ny fifidianana, taona 2023”, hoy izy. Tokony halamina miaraka ny fitsipi-dalao hirosoana amin’ny fifidianana mba tsy hisian’ny olana.

R. Nd.

Partager sur: