Mirongatra ny valanaretina samihafa manerana izao tontolo izao tao anatin’ny dimy taona farany. Mila manana paikady hiatrehana izany ny firenena tsirairay.
129 ny valanaretina niseho manerana izao tontolo izao, tamin’ity taona ity, raha 106 izany tamin’ny taon-dasa, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Société infectieuse de Madagascar (Spim), profesora Randrianasolo Radonirina, omaly, teny Ankorondrano. Niakatra izany tarehimarika izany noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ny tsy fitandreman’ny olona ka mahatonga ny mikraoba tafiditra ao anaty vatana, miaraka amin’ireo ny tsy fahampiana eny amin’ny toeram-pitsaboana hiatrehana ny valanaretina. Ny zavatra tena tsapa, mihamahazo vahana ny tsimokaretina tsy sitran’ny fanafody mahazatra ka miteraka fahafatesana ho an’ny olombelona, tranga maneran-tany io. Ankoatra ny valanaretina vaovao nitranga, mbola arahi-maso ihany ny aretina telo: Vih/Sida, tazo ary ny aretina raboka. Tao anatin’ny dimy taona farany no nahatiliana fa nirongatra ny valanaretina niseho ary manoloana ny fitomboan’ny valanaretina mitranga, mila miomana hatrany i Madagasikara hiatrika izany. Samy niara-niatrika ny Covid-19 izao tontolo izao fa ankoatra izay, niseho teto amintsika ny dengue, gripa aviaire, pesta…
Eto amintsika, tena mirongatra izao ny gripa sy ny sery miharo kohaka noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiparitahan’ny loto samihafa, hoy ny nambarany ihany. Hifarana anio ny atrikasa fifampizarana momba ny fiatrehana ny valanaretina. Tanjona ny hametraka paikady iatrehana ny aretina mitarika amin’ny valanaretina satria hita fa maro ny fisian’ny valanaretina vaovao manerana izao tontolo izao.
Vonjy A.