“Tokony hamoahan’ny fitsarana didy aloha ilay fitorohana napetraky ny TI-MG, izay vao azo sokajina ho fanendrinkendrehana tsy marim-pototra, raha voaporofo fa tsy mitombina ny ahiahiny. Tsy izany anefa ny zava-mitranga ankehitriny. Tsy manaja ny fepetra voafaritry ny lalàna ny fitoriana napetraky ny Gel.”
Io ny fanambarana hoe “I Madagasikara: hiady amin’ ny kolikoly tokoa ve isika sa hiady amin’ireo mpitoroka ny trangana kolikoly?” nampitain’ny firaisamonina sivily, ny herinandro teo, manoloana ny fitorian’ny Vondron’ny mpanondrana letisia (Gel) ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG). Mazava ny fehezan-dalàna famaizana momba ny fepetra mifandraika amin’ny fitorohana ankasomparana
sy fanendrinkendrehana tsy marim-pototra. Anjaran’ny Gel ny mitondra ny porofo manamarina fa nisy tokoa ny fanendrinkendrehana tsy marim-pototra nataon’ny TI-MG.
Ilaina ny lalàna momba ny mpisintona lakolosy
Takin’izy ireo ny fandaniana ny volavolan-dalàna fiarovana ireo mpiaro ny zon’ olombelona sy ireo mpisintona lakolosy. Ilaina izany manoloana ny tranga mahazo an’i Ketakandriana Rafitison sy i Dominique Rakotomalala. Zava-dehibe ho an’ny fahafahana sy ny fitandroana ny maha tany tan-dalàna sy ny demokratika io lalàna io, tokony hanaja ireo fenitra iraisam-pirenena.
Miray hina miaraka amin-dry zareo ireo mpisintona lakolosy nanana fahasahiana nitoroka ny tsy rariny, ny fanodinkodinana sy tsy fanarahan-dalàna ary ny tsy fanajana zo. Eo koa ny fanohanan-dry zareo ireo mpisintona lakolosy niharan’ny tsindrihazolena sy ny fanenjehana… “Tsy hangina izahay”, hoy izy ireo.
R. Nd.