Mamely ny ankizy madinika ny gripa mahery. Lasibatra ireo ankizy any am-pianarana. Raha misy anankiray voan’ny gripa dia mifindra amin’ny ankamaroan’ireo mpianatra izany. Manomboka tsy mianatra tsikelikely ny ankizy. Tonga amin’ny fanaviana ka mitarika ny ankizy tsy afaka manohy mianatra anaty fotoana elaela.
Saika ny antsasaky ny kilasin’ireo ankizy madinika mihitsy no indray tsy tonga mianatra. Misy ihany ireo alefan’ny ray aman-dreniny aty am-pianarana, saingy tsy mahavita na inona na inona fa malemilemy. Ny sasany mandoa sy matory am-pitoerana fotsiny noho ny fanaviana, raha ny fanazavan’ny mpampianatra.
Nandray fepetra ny sekoly sasany ny hampitsahatra avy hatrany ireo ankizy vao voan’ny sery mba tsy hamindra amin’ny hafa. Ampodian’ny mpampianatra mihitsy raha vao mievonevona na mikohoka ny mpianatra.
Hisorohana ny fifamindran’aretina eo amin’ny samy mpianatra no tanjona ka hazavaina tsara amin’ny ray aman-dreny izany. Na ireo ankizy madinika aza dia manao arovava orona ao am-pianarana manomboka izao, eny fa na mandritra ny fotoan’ny fakan-drivotra aza.
Sarotra ny manarina ny fahabangana amin’ny fanenjehana ny lesona tsy vita na dia aty amin’ny kilasy madinika aza, hoy ny mpampianatra. “Mandany fotoana ny fampianarana ary mitaky vokatra amin’ny mpianatra sy aminay mpampianatra na ny sekoly na ny ray aman-dreny ka fatiantoka ny andro maro tsy ianaran’ny mpianatra rehefa tsy salama izy ireo”, hoy hatrany ny mpamianatra ankizy madinika nanazava.
Tatiana A