Tsy mety tapitra ny hatezeran’ny mpanjifa sy ny mponina noho ny fahatapahan-jiro, amin’ny tambajotra mamatsy ny any amin’ny tapany an-drefan’Antananarivo, miainga etsy Anosizato. Taorian’ny tany Antanentimboahangy Analavory, ny zoma hariva 25 novambra, nidina an-dalambe koa ny mponina any Moratsiazo avaratr’Ampefy, distrika Soaviandriana, omaly tolakandro. Nobahanan’izy ireo ny lalana, sady nandoro kodiarana.
Mitovy daholo ny fitakiana, leo ny tsy fisian’ny herinaratra efa nanomboka ny 17 novambra 2022 ny mponina. Mandeha kosa ny jiro any Ampefy sy Soavinandriana, saingy tapatapaka matetika.
Njaka A.