Kabary – Manda: nivoaka ny andia “Tafita”

Manomboka liana amin’ny resaka lahabolana am-bava ny tanora, ankehitriny. Tonto­sa ny alahady 27 novambra 2022 tetsy amin’ny Sehatra Maitso Analamahitsy ny lanonam-panandratana ny mpianatra ho mpikabary ny Andia “Tafita” nahitana ny sokajy mpiofana sy mpandalina teo anivon’ny fikambanana Man­da. Miisa 132 ny nasandratra ary tanora avokoa ny ankabeazany. Tsara ny manamarika fa 11 taona ny zandriny indrindra ary 72 taona ny zokiny. Ny Andia « Tafita » moa dia vokatra azo avy amin’ny tetikasa fampianarana kabary nanerana ny boriborintany enina izay fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina An­tananarivo Renivohitra tamin’ny alalan’ny fitaleavan’ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny Fiainam-piarahamonina (DACVC-CUA) sy ny fi­kambanana Manda ary ny orinasa FMG. Maro ny olo-ma­nan-kaja nanotrona ny lanonana toy ny Jeneraly Ramaka­velo (Madera) sady ray mpiahy ny fikambanana Manda, nanamafy nandritra ny lahateniny fa tena ilaina ny mianatra kabary mba hiainana ny maha Malagasy. Ahatongavana ho olom-banona sy vonona ho tomponandraikitra eto amin’ny firenena fa tsy ho tompon-toerana fotsiny.

Narilala

Partager sur: