Rallye Bosch CT Motors: hiady izay ho tompondaka i Mathieu sy i Fred

Hamarana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja familiana fiarakodia ny Rallye Bosch CT Motors. Hanana ny lanjany izany satria hamaritra izay hisalotra ny ho tompondakam-pirenena 2022.

Hotanterahina ny 9 ka hatramin’ny 11 no­vam­bra ho avy izao ny Rallye Bosch CT Motors. Dingana farany hiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­si­kara. Fantatra izany nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, notanterahina teny Andraharo, ny alatsinainy lasa teo.
Hamaritra izay hibata ny amboara ho an’ity taom-pilalaovana 2022 ity, io fifaninanana io. Hatreto, mpanamory roa no hiady izay ho lohany amin’izany dia i Mathieu (Zazamaditra) sy i Fred, izay samy mpanamo­rin’ny klioba Asacm avokoa.
Raha tsiahivina, elanelanisa 21 no mampisaraka azy mirahalahy ka mitarika alo­ha hatreto i Fred. Manana lanjan’isa 1,6 ity rallye ity. Hahatratra 480, 59 km ny halavan’ity fifaninanana ity, izay misy dingana manokana (ES) miisa 12, mirefy 168, 37 km. Nambaran-dRazafindrakoto Patrick, tomponandraikitra eo ani­von’ny CT Motors fa 40 ny isan’ny mpifaninana ka hanana ekipazy miisa telo izy ireo, ankoatra ny SSV, izay efa hahalalana ny ori­nasa. Andiany faharoa no iarahan’ny orinasa amin’ity rallye mamarana ny taom-pilalaovana ity ka hiavaka. Anisan’izany ny fanatsarana teo amin’ny lalana diavin’ny mpanamory.
Hizara roa toy ny mahazatra ny fizaran-dalana ho an’ireo mpifaninana dia ny 4 sy ny 5 ary ny 6 sy 7 novambra, ho avy izao. Ankoatra izay, omena fihenam-bidy amin’ny fikarakarana fiara ao amin’ny orinasa ireo, 15 misoratra anarana voalohany. Nisy koa ny fampahafantarana ireo kojakoja isan-karazany mampiavaka azy ireo, izay ambany vidy raha mitaha amin’ireo mpifaninana ara-barotra amin’izy ireo.

Torcelin

Partager sur: