Raha ny rugby no hahalalana ny RCTS (Rugby Club Tanora Soavimasoandro), hatramin’izay, fantatra izao fa hisokatra amin’ny taranja hafa indray izy ireo, manomboka izao. Io no nambaran’Andrianarisoa Avotra, filohany, nandritra ny andro natokana ho fisaoarana ireo mpiara-miomban’antoka, natao ny asabotsy lasa teo, teny Imamba Soavimasoandro.
Fantatra ary fa hanangana ivontoeram-piofanana izy ireo ka hatomboka amin’ny fanamboarana kianja ho an’ ny taranja basikety sy volley-ball, ny RCTS. Ankoatra izay, eo am-piandrasana ny taratasy avy amin’ny fanjakana hanoratana ny tany eo Imamba, amin’ny RCTS, izy ireo, ankehitriny. Aorian’ izay, hananganana ny “dispensaire”, hitsaboana ireo ankizy beazina ao an-toerana.
Toy izany koa ny efitrano fatoriana ho an’ireo ekipa manoman-tena. Notsiahivin’ i Avotra, fa mamatsy ara-bola sy ara-pitaovana ny RCTS ireo mpiara-miombon’antoka ireo, amin’ireo tetikasany. Tsiahivina fa mahatratra 350 ireo ankizy beazina amin’ny rugby sy ny fianarana ao amin’ny RCTS, izay avy amin’ny fokontany eo an-toerana sy ny manodidina toa an’Ambohidratrimo, Tanjombato, Anosibe sy Ankazomanga. 5 taona ny zandriny indrindra ka hatramin’ny sokajy “sénior”, lahy sy vavy. Marihina fa manana mpilalao mandrafitra ny Makis vehivavy ny RCTS, izay tompondakan’i Madagasikara D2 ary tompondakan’ny Elite 2, seksiona Marovatana kosa ny lehilahy.
Torcelin