Misedra fahasahiranana ny famokarana ny tapis mohair any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mitantara ireo mpisehatra fa mihasarotra ny fitadiavana volon’osy. Miharatsy ny volon’ireo osy noho ny tsy fahampiana sakafo haniny sy rano sotroiny noho ny haintany mivaivay any an-toerana.
Mitantara i Limbesoa, mpanenona tapis mohair ao Ampanihy, fa vidian’ny mpampiasa azy 20 000 Ar ny kilaon’ny volon’osy. Isaky ny asabotsy ihany no misy volon’osy amidin’ireo tantsaha ao an-tsena.
Volon’osy 15 kilao anefa vao mahavita tapis mohair mirefy 1m50x2m. Iray volana vao mahavita manenona izany ny olona roa. Tenona mirefy 5cm isan’andro no vita raha tena miasa tsy miato.
Ankoatra ny volon’osy, tsy maintsy vidiana any Antananarivo ny tady manokana, izay tena madinika manampy amin’ny fanenomana. Amanetsiny koa no vidin’izany.
Amidy manodidina ny 400 000 Ar ny tapis mohair 1m50 x2m.
Tatiana A