Basikety-Africa Cup 3×3: hihaona voalohany amin’ i Madagasikara i Egypta

Ry zareo Egyptianina, to­mpon-trano, no hihaona amin’ ny Malagasy voalohany, amin’ ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny taranja basikety lalaovin’olona telo “Open” lehilahy. Fifaninanana hatao ny 3 sy 4 desambra izao, any Le Caire Egypta. Hifa­nandrina amin’i Botsoana amin’ny lalao faharoa, ary hamarana ny fihaonana amin’ ny Malagasy ao amin’ny vondrona A i Roanda. Efa vonona ireo mpilalao lehilahy (Livio, Elly, Fiary, Arnol) sy ny mpanazatra azy ireo, Randria­narivelo Jean de Dieu. Tsara fiomanana ireto mpilalao malagasy ireto, izay efa nikotrana sy nivondrona nanditra ny andro maro teto Antana­narivo.
Mpilalao notsongaina ta­min’ny maro rahateo no hiatrika ny fifaninanana, ary azo antenaina ny hahazoana vokatra tsara.
Tsiahivina fa efa nanoratra tantara teo amin’ny sehatra afrikanina, teo amin’ny basikety 3×3 ny ekipa malagasy lehilahy, nandritra ny lalao afrikanina 2019, izay nandrombaka ny medaly volamena. Mahirina fa manana solontena amin’ny sokajy le­hilahy sy vehivavy i Ma­da­gasikara, hiaro ny voninahi-pirenena.

Fitia ( Mpianatra Asa)

Partager sur: