Namono olona iray ny Covid-19 nandritra ny 19 novambra ka hatramin’ny 25 novambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, raha isaky ny alahady ny fanomezana ny fivoaran’ny antontanisa mahazatra isan-kerinandro. 205 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 1061 natao tao anatin’ny faritra folo, 397 ny olona marary amin’izao fotoana izao ka anatin’ny tranga misy fahasarotana ny dimy amin’ireo. Analamanga hatrany no manana tranga be indrindra 172, manaraka Boeny, nahitana 13, valo ho an’i Vakinankaratra, telo ao Atsinanana ary roa avy ho an’i Diana sy Menabe ary Anosy. Nahatiliana tranga iray avy kosa ny ao Atsimo Andrefana, Matsiatra Ambony sy Alaotra Mangoro. Nanomboka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny 25 novambra lasa teo, 67 259 ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19. Nahatratra 65 450 ny sitrana raha lavo kosa ny 1412. Noho ny fiakaran’ny isan’ny tranga vaovao voatily, nanao fanentanana manokana ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny tokony hamerenana indray ny fanajana ny fepetra sakana, indrindra ny fametrahana ny arovava orona anantin’ny fitaovam-pitaterana iraisan’ny daholobe.
Efa mitaky ny hanaovana ity fitaovam-piarovana ity ihany koa ny mpitantana ny sekoly maro.
Vonjy A.