Hihena ny tondradrano. Io no tanjona amin’ny fanadiovana ny lakandrano sy ny « station de pompage » hatao eo amin’ny tanànan’Antananarivo. Antananarivo ieren-doza no tanjona.
Natomboka teny Marais Masay, ny fiandohan’ ity herinandro ity, ny fanadiovana lakandrano amin’ ireo toerana ivarinan’ny rano mandritra ny fahavaratra. Notohizana tamin’ny fanadiovana ny “station de pompage” teny Isotry izany. Mirefy 1,5 km eo ho eo ny fanadiovana natao teo Marais Masay. Ivarinan’ny rano rehetra avy any amin’ny faritra Atsinanana, Avaratra Atsinanana toy ny eo Besarety, Mahavoky, Andravoahangy, Ankerana, Ambatobe… Nanisana io toerana io. Avy ao Marais Masay vao mivarina any amin’ny lakandranon’Andriantany izany.
Efa voadio mialoha izao asa izao ny Canal GR, izay mirefy 14 km, manomboka eo Ankadimbahoaka ka hatrany Soavimasoandro. 70 000 ireo olona nisitraka ny vokatry ny asa natao tamin’ny asa tanamaro sy ny hafa. 500 kosa ny olona nahazo asa mivantana nandritra ny fanadiovana.
Mampiasa fitaovana vaventy sy arifomba mihitsy hanalana ny fako manentsina ny lakandrano. Kendrena mba ho afaka avokoa izany ka ho lalindalina ny faritra fivarinan’ny rano mba tsy hampihoatra azy mandritra ny orambe.
Diovina ihany koa ny station de pompage eo Isotry, izay misy ny fitaovana mitroka ireo rano maloto rehetra eny amin’ny faritra iva. Miara-miasa avokoa ny fitaovana any amin’ireo station efatra ambiny hahafahan’ny rano mikoriana tsara. Tanjon’ny fiasan’ireo ny fanafainganana ny fampidinana haingana ny rano rehefa tafahoatra loatra mandritra ny fiavian’ny orana ao anatin’ny fotoam-pahavaratra.
Maro ny tetikasa fanadiovana tanterahin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany hisorohana ny loza mandritra ny fahavaratra. Anisan’izany ny tetikasa Piaa, Produir. Eo ihany koa ny asa tontosain’ny Apipa, rafitra miaro ny tanànan’Antananarivo amin’ny tundra-drano.
Tatiana A