Nidera ny ezaka vitan’ny Akio ny Kaonfederasiona afrikanina handball (CAHB) sy ny Federasiona iraisam-pirenena (IHF). Araka izany, nolazain’izy ireo fa afaka mandray ny fifanintsanana ho an’ny lalao afrikanina i Madagasikara.
Nambaran’ny Dr Feteh Weldesenbet, mpikambana eo anivon’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny taranja handball (CAHB), omaly, fa afaka mandray lalao fifanitsanana amin’ny lalao afrikanina “Jeux africains”, hatao ny fiandohan’ ny taona 2023 io i Madagasikara. Noho ny fananan’ ny Malagasy fotodrafitrasa mahazaka izany ny antony. Toy izany koa ireo fifanintsanana isan-tokony.
Tsy nanadino ny niarahaba ny Akio Madagascar, sokajy U20 ny CAHB sy ny Federasiona iraisam-pirenena (IHF), tamin’ny nandrombahany ny ho tompondakan’ny IHF Trophy, ho an’ny faritra fahafito, notanterahina teto Antananarivo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Noho io vokatra io, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka kaontinantaly, hatao any Congo Brazzaville, ny 12 ka hatramin’ny 18 desambra ho avy izao ny Akio. Hanana ny lanjany izany fihaonana izany satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana ho tompondaka eran-tany, hotanterahina ny taona 2023. Afaka manomana tsara izany ny federasiona malagasy sy ny Akio, hoy ny solontenan’ny IHF sy ny CAHB.
Nitsidika ny Praiminisitra malagasy
Tsiahivina fa nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ireto delegasiona vahiny ireto, omaly. Efa vonona ny hoenti-manana amin’izany, araka ny nambaran-dRaheriarijaona Régina Clarisse, satria hiantohan’ny mpikarakara ny tapakila sy ny fiantranoana amin’io fifaninanana io. Na izany aza, mila ny fandraisana an-tanan’ny fitondrana ny tenany, izay nisaotra ny filoham-pirenena efa nanampy ny Akio lahy sy vavy, nandritra ny fandraisana anjara tamin’ny Can, farany teo. Nolazainy fa tsy hiandry ela fa amin’ny fiandohan’io herinandro io dia efa hiditra amin’ny fampivondronana ho fanomanana izany ny Akio de Madagascar.
Tetsy ankilany, nilaza ny fahavononany hanohana ity taranja handball ity ihany koa ny fitondrana, araka ny voalazan’ny filohan’ny governemanta, i Ntsay Christian.
Tompondaka