Mitohy hatrany ny tantara eo amin’ny taranja karate malagasy. Raha toa ka niaraka fiaramanidina, ny alahady lasa teo, ny delegasiona avy amin’i Solofo Barijaona sy Ratefinanahary Emile, ankehitriny, efa samy nigadona any Durban izy ireo hiatrika ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika.
Ny filoha sy ny mpikambana vitsivitsy no efa tonga any ho an’ny ekipan’i Emile, raha toa ka efa any avokoa ny ekipa miaraka amin’i Solofo. Efa eny an-dalana kosa ireo delegasiona ambiny tarihin’ ny Sensei Emile, hahitana atleta 4 mianadahy sy mpitsara iray ary mpanazatra iray. Mbola baraingo hatreto izay atleta afaka handray anjara sy hiakatra Tatami. Ny zoma 2 desambra izao mantsy vao tena hanomboka ny fifaninanana ka eo vao tena ho fantatra ny tohin’ny tantara.
Nitondra fanazavana ny ekipa tarihin-dRatefinanahary Emile fa ankoatra ny fiatrehana ity fifaninanana ity, fotoana hitondrany fanazavana eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenena sy UFAK (Union des Fédération Africaine de Karaté” ihany koa izao, ny maha ara-dalana ny federasiona tantaniny sy hanambarany mivantana fa efa tafatsangana izany federasiona vaovao izany.
Mi.Raz