Kitra vehivavy – Mada 2022 : fantatra ireo ekipa efa tafita

Tapitra ny alahady 27 novambra lasa teo, ny dingana voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra sokajy vehivavy. Efa fantatra avokoa araka izany ireo ekipa tafakatra hiatrika ny dingana faharoa. Marihna fa ireo klioba telo voalohany isam-bondrona, ihany no manohy ny dia.

Ho an’ny sokajy “A”, nilalao tany amin’ny kianja Diana, tafita ny AC Sab-Nam Vakinankaratra sy ny AFDA Diana, samy nanana isa 10 avy. Tafakatra ihany koa ny Mifa Analamanga, nahazo
isa 6.
Tany Alaotra Mangoro ho an’ny sokajy “B”, voalohany ny AJSAI Matsiatra Ambony, manana isa 12, narahin’ny FCF Alaotra Mangoro, nahazo isa 9 ary ny Aseffema Itasy, isa 4.
Ho an’ny sokajy “C”, nilalao tany Amoron’i Mania, mitarika ny Disciples FC Vakinankaratra, isa 15. Fa­haroa, ASCUF Matsiatra Ambony, manana isa 12 ary ny AS AMMI Amoron’i Ma­nia, nahazo isa 7.
Tany Androy, samy manohy ny lalana ny 3FB Betroka Anosy sy ny 3FB Ambo­vombe Androy, nahazo isa 0. Marihina fa tsy nisy afa-tsy ireo klioba roa ireo ihany ny hany nifaninana, ho an’ity vondrona “D”, ity.

Tsy mbola fantatra aloha ny ho fanapahan-kevitry ny federasiona Malagasy (FMF), ny amin’izay ekipa fahatelo, hanampy azy ireo. Andrasana ihany koa ny daty hanatontosana ny fihodinana faharoa, sy ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona indray, ho an’ ity fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy vehivavy

Tompondaka

Partager sur: