Masoivoho japoney: hanangana efitrano fianarana ho an’ny IST

Nanome vola mitentina 272 tapitrisa Ar hananganana efitrano lehibe iray mahazaka olona 100 mahery sy efitrano fianarana vaovao ny masoivoho japoney miasa eto amintsika ho an’ny sekoly ambony Institut supérieur de technologie (IST) Antananarivo ha­nam­piana ny fahafahan’ny sekoly mandray mpianatra. «800 isan-taona ny mpianatra azo raisina hatramin’izay no­ho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa ary voatery mianatra amin’ny alina sy ny faran’ny herinandro vokatr’izany», hoy ny tale jeneralin’ny IST, Rakotondrajaona Luc, omaly, teny Ampasampito. Efa na­nomboka ny taona 1996 no niara-niasa ny roa tonta ary mbola miasa hatramin’izao ilay laboratoara fianarana tenim-pirenena vahiny natolotra tamin’izany fotoana izany. «Manohana ny fikambanana Judo in school koa ny masoivoho amin’ny fampitaovana tatami sy kimono. Natokana ho an’ny ankizy mpianatra eo amin’ny CEG sy lycée eo
amin’ny manodidina ny efitrano hianarana haiady», hoy ny masoivoho japoney eto amintsika, i Abe Koji. Zava-dehibe ho an’ny fanjakana japoney ny fanabeazana ka ny 70% n’ny tetikasa tohanan’izy ireo miompana amin’ny fanabeazana avokoa.

Haharitra herintaona ny asa fanorenana ahazoana mandray mpianatra 126 vaovao. Natao omaly ny fandraiketana an-tsoratra ny fanohanana ny asa fananganana.

Vonjy A.

Partager sur: