Voavolavola ny drafitrasa hotanterahina mandritra ny efatra taona manaraka ho an’ny tolotra fahasalamana ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Renivohitra. Ho an’ny taona 2023, mitentina 214 300 000 Ar ny sora-bola hokirakirain’ny CSB 18 eto Antananarivo Renivohitra sy ny sampandraharaham-pahasalaman’ny distrikan’Antananarivo Renivohitra. Vola hampihodinana ny raharaha andavanandro ireo fa mbola miandry tohana sy famatsiana avy amin’ny mpiray ombon’antoka ny asam-pitsaboana samihafa voafaritra ao anatin’ny drafitrasa. Mialoha ny nandrafetana ny drafitrasa, nisy ny fanadihadiana natao teny anivon’ny CSB 23 (18 tantanin’ny fanjakana, efatra miankina amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny iray eo am-pananganana azy) momba ny olana sedrain’ny CSB isanisany amin’ny fisahanana ny fahasalaman’ny mponina. «Nifampizarana tamin’ny mpanohana ara-bola sy teknika ny drafitrasa ho an’ny efa-taona manaraka hijeren’ny tsirairay ny tohana hoentiny ho fanatsarana ny rafitry ny fahasalamana eny ifotony», hoy ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa fahasalamana sy fanjarian-tsakafo ao amin’ny ACF, Ramanank’Andrasana Dina, omaly, teny Antaninarenina. Antso no natao hifarimbonana ho fanatsarana ny rafitry ny fahasalamana miainga amin’ny filana eny ifotony ary voafaritra anatin’ ny tanjona efatra. Iray amin’ ny tanjona napetraka hotratrarina hatramin’ny taona 2026 ny tsy hahatapaka ny famatsiana fanafody fototra ho an’ny CSB sy ny hopitaly roa eto an-dRenivohitra.
Maro ny mpanohana ny rafitry ny fahasalamana eto amintsika, Action contre la faim (ACF), Usaid, OMS, Médecins du monde, firaisamonim-pirenena…
Vonjy A.