Nirefodrefotra toy ny varatra nanimba ireo milin’ny orinasa Jirama, ny vaovao nanomboka afakomaly momba ny mpiasa ao amin’ity orinasa ity. Nihazakazaka izaitsizy ny fipoahan’ny raharaha manodidina ny fandrobana sy fanaovana tantely afa-drakotra azy. Inona tampoka teo aza no nahatonga izany ? hoy ny maro, indrindra ny mpanaraka ny tambajotran-tserasera. Tsy misy fanambarana ofisialy fa efa eny amin’ny fitsarana ny raharaha vao hitan’ny besinimaro. Anatin’ny fahatapahana lavareny isika, nahoraka rahateo ny filazana ho fisian’ny ankasomparana. Angaha hita e ! Manaraka ny onjany fotsiny ny mpampiasa izay mahatsapa fa hiharan’ny tian-kano sy tsy tian-kano amin’ny tolotra tsy mifanaraka amin’ny vola aloa.
Azo lazaina fa mamelona tsirim-panantenana kely, mitondra tara-pahazavana anatin’ny aizina mangitsokitsoky ny delestazy izany. Mety handalo ihany anefa, satria mampanahy ny mizana tsindriana ila. Ny vahoaka madinika izay efa lasibatry ny tsy fanjarizariana no manefa be amin’ny lany. Miakatra ny saram-panjifana, hany ka tokantrano maro no mahita faisana sy mizaka ny tsy eran’ny aina. Anisan’ny teboka iray, mila jeren’ny mpitondra manokana io zon’ny mpanjifa hisitraka asa tsara sy mendrika ny vidin-katsembohany handoavana faktiora.
Mampanahy rahateo ny fanjavonan’ny olona heverina fa nigoka tsy ara-drariny ny volam-bahoaka. Nanararao-pahefana, nandrapaka izay azo narapaka. Marina, nisy ny didy fampisamborana, saingy hatraiza ny fampiharana izany? Zary kolontsaina mahazatra ny Malagasy ankehitriny ny tsimatimanota. Manararaotra toa banga mihomehy alina izay afaka misoavaly ny marefo. Atody miady amam-bato ny mpanjifa, tsy manan-tsafidy afa-tsy ny miaritra.
Fanontaniana iray mipetraka koa ny mikasika ity resaka herinaratra ity ny momba ny tomponandraikitra hafa toy ny minisitra roa tonta mpiahy mivantana: ny herinaratra sy akoran’afo, andaniny; ny ministry ny Rano, ankilany. Aiza ho aiza ny andraikitra sahanin’izy ireny vao miresaka jiro sy rano izany? Fanontaniana ilam-baliny ihany koa io satria manontolo lehibe iray ny Jirama. Mpiantsehatra fototra izy mirahalahy ireo, na dia toerana politika aza no nametrahana azy. Ny ministry ny Angova mba tazana ihany, fa ny Rano no tsy andrenesam-peo amin’ny famahana ny olana. Ny eny anivon’ny fitantanam-bola izay mpiahy azy no mitady ny fomba rehetra hamonjena ny ranovaky. Mazava ny fampitomboana ny fanampiana omena ny Jirama amin’ity taona ity. Efa hita ao anatin’ny tetibolam-panjakana amin’ny taona 2023 izany.
r.r