15 Martsa 1973, niorina ny antoko mpihira Orimbato ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. « Antsa Noely », efa fanao isan-taona. Hifanindran-dalana izany amin’ny alahady izao.
Dimampolo taona niorenana. Hanokatra ny jaobily volamenany ao amin’ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga ny antoko mpihira Orimbato, ny alahady 4 desambra izao. Amin’io andro io ihany koa no hanatanterahan-dry zareo ny « Antsa Noely » fanaony isan-taona. Amin’ny ankapobeny, hizara roa ny fandaharam-potoana. Fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’ Andriamanitra, manomboka amin’ny 7ora maraina. « Antsa Noely » kosa ny hariva amin’ny 4ora.
Fampisehoana nampitondraina ny lohateny « Ny Mpanjakako ». Hoentina maneho ny maha izy azy ny antoko mpihira Orimbato eo amin’ny sehatry ny hira. Hanana firafitra « a Capella » (tsy misy zava-maneno) ny fizaram-potoana voalohany ary hira klasika kosa eo amin’ny fizarana faharoa. Fito ny isan’ny hira atolotra amin’ny sokajy « a capella ». Anisan’izany ny « Krismasy » ( Naly Rakotofiringa) izay nanaovan’ny Orimbato rindra manokana ho azy. Ny « Tonga ny Tompo be fitia », an’i Pascal Ratsimanosika, iray amin’ireo mpitarika ny Orimbato tany am-piandohany. « He jereo lasa sahady va ny alina » an-dRamboatiana, mpamoronkira sy mpitarika ny mpitsoka mozika tamin’ny fotoana nanjakan-dRanavalona III (1883-1897) , fotoana nijoroan’ireo amboarampeo tao amin’ny fiangonana Anatirova sy tany amin’ny sekoly samihafa. Hira fito voadika amin’ny teny malagasy no horenesina amin’ny klasika. Ao ny ampahany amin’ ny Oratorio « The Messiah » (1741) an’i G.F Haendel (1685-1759). Ny sanganasan’i Antonio Vivaldi (1678-1741) sy John Stainer (1840-1901) toy ny « Gloria » sy « God so loved the world » ».
Raha ny nambaran-dRamanamirija Jacques (serasera eo anivon’ny Orimbato) : « natao hampitodika amin’ny fanjakan’ny lanitra amin’ny alalan’ ireo hira noely hoventesina ».
Nanangona : HaRy Razafindrakoto