“Tsiahy Kaiamba”. Io no lohatenin’ny fampisehoana, izay hotontosain’ireo mpanakanto maro mivondrona anatin’ny “Kaiamba”, ny alahady 4 septambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy Antsahamanitra. Hifampizara ny sehatra mandritra izany ry Jackie Edmée, Jean Kely sy Basth, Christine Egeba est, Prosh’Ely, Charles martin, Zôzô Mananjary, Raymond, Julien raminia, Coco Tavaratra ary Prince Loukassa.
Mazava loatra fa hifandimby hanao ny sanganasany izy ireo. Misy kosa ireo hira maromaro iarahana, izay an’ ireo namana tao anatin’ny “Kaiamba” efa nodimandry. Ny hamerina sy hamelona ireo voasokajy ho “vazo kaiamba” no tena tanjon’ny vovonana Baobab Prog, izay mpikarakara. “Isan’ireo andraikitry ny vovonana ny fampivoarana sy ny fampahafantarana ny kolontsaina nandritra izay telo taona nisiany izay,” hoy ny nambaran’ny tomponandraikitra. Ankoatra ny fampisehoana an-tsehatra, anisan’ny endrika iray entin’ny Baobao Prog hampiroboroboana ny zavakanto malagasy ny fampisheoana ana habaka, amin’ ny alalan’ny “web TV” sy “Web radio”.
Zo ny Aina