Hotontosaina any Senegaly, ny 3, 4 ary 5 desambra izao ny fampiofanana ireo tanora afrikanina mpilalao basikety sangany na ny « Elites Jeunes ». Ho fanohizana ny « Youth Camp », izay nataon’ izy roa vavy, ny volana oktobra lasa teo, hihazo an’i Senegaly indray, Ramahatra Taratriniaina Muriel sy Rakotonanahary Joanie Anyssa, haka traikefa. Tsy fiofanana fotsiny ihany no hataon’ireto mpilalao malagasy ireto any fa hisokatra kokoa amin’ny fijerena ny hoavin’izy ireo eo amin’ny sehatry ny basikety, ka hikarohana lalana ho an’ny « Sport-Etudes » ho azy roa vavy, araka ny fanazavana’ny Tale teknika nasionaly ny basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot. Tsapan’ireo mpanazatran’ny NBA (Natio-nal Basket Association) sy ny Fiba Afrika ny fahaiza-manaon’izy roa vavy ireto nandritra ny « Youth Camp » natao tany Senegaly farany teo ka antony mbola hisitrahany izao fifampizarana izao indray. Tsiahivina, anisan’ny tafiditra tao anatin’ny « all star » i Anyssa, tamin’io volana oktobra io, niaraka tamin’ ireo mpilalao kalaza eto Afrika.
Ny asabotsy 3 desambra izao no hanainga eto an-tanindrazana i Taratra sy i Anyssa, hihazo an’i Senegaly.
Mi.Raz