Hotontosaina ny 4 hatramin’ny 11 desambra izao atsy amin’ny Nosy Maorisy ny CJSOI (Jeux de la Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien), 2022. Efa vonona tanteraka i Maorisy.
Efatra andro tsy hanombohan’ny fifaninanana, mbola baraingo ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ity andiany faha-12 amin’ny CJSOI hatao any Maorisy ity. Raha ny fanazavana azo avy eny anivon’ny federasiona sasantsasany efa manoman-tena fatratra, tsy mbola misy resaka, hoy izy ireo, hatramin’izao ny mahakasika ny fiaingana sy ny isan’ ny atleta handray anjara. Nanambara kosa ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena fa miankina amin’ny vola eo am-pelatanana ny hahafahana mamaritra ny isan’ny taranja hifaninanana sy ny isan’ny atleta handeha, izay tsy mbola voafaritra hatramin’ny androany. Tsara anefa ny manamarika fa efa nankatoavina tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny jolay 2022 ny fandraisana anjara an’i Madagasikara ary efa tapaka tamin’ izany fa atleta 80 mianadahy ny hihazo an’i Maorisy.
Efa vonona ny mpampiantrano
Etsy ankilany, vonona tanteraka amin’ny fandraisana ny Nosy Maorisy, amin’izao andro vitsy tsy hanombohan’ ny lalao izao. Taranja miisa 11 no hifaninanan’ireo atleta 2000 andrasana, hahitana ny atletisma, lomano, tsipy kanetibe, triathlon, futsal,tenisy ambony latabatra, ady totohondry, fibatana fonjamby, tenisy, Voile ary ny Beach handball. Anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny mety hisian’ny fifaninanana E-Sport sy ny hetsika ara-kolontsaina, izay hampiavaka ny lalao.
Tsiahivina fa niato nandritra ny telo taona ny CJSOI, vokatry ny fihanaky ny Covid 19 naneran-tany, ny taona 2019, 2020 sy 2021 ary izao niverina izao indray amin’ity taona 2022 ity. Tany Djibouti no nisy ity fifaninanana ity farany, ny taona 2018 ka izao horaisin’i Maorisy izao indray amin’ity taona 2022 ity. Antenaina, araka izany fa tsara fiomanana avokoa ireo atleta manerana ny ranomasimbe indiana.
Mi.Raz